Ireo dingana arahina momba ny fangatahana tanim-panjakana
Publié le : 15 Jul 2026
𝑭𝒂𝒎𝒂𝒓𝒊𝒕𝒂𝒏𝒂 𝒔𝒚 𝒔𝒂𝒕𝒂-𝒕𝒂𝒏𝒚 𝒎𝒂𝒉𝒂𝒌𝒂𝒔𝒊𝒌𝒂 𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒏𝒊𝒎-𝒑𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂
Ny lalàna 60-004 no nihatra mahakasika ny tanim-panjakana talohan’ny fanavaozana azy tamin’ny 2005.
Taorian’ny 2005 dia teraka ny lalàna 2005-019/17 Oktobra 2005 mikasika ny sata-tany : tanim-panjakana, tany an’olon-tsotra ary misy ny tany manana ny sata manokana.
Nisy ny fanovana ny lalàna tamin’ny 2005. Ankehitriny, ny lalàna 2008-014 tamin’ny 23 Jolay 2008 no manankery amin’ny fangatahana tanim-panjakana.
𝑰𝒛𝒂 𝒂𝒗𝒚 𝒏𝒐 𝒂𝒇𝒂𝒌𝒂 𝒎𝒂𝒏𝒈𝒂𝒕𝒂𝒌𝒂 𝒕𝒂𝒏𝒊𝒎-𝒑𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂 ?
Afaka mangataka avokoa ny olon-drehetra.
𝑻𝒂𝒏𝒊𝒎-𝒑𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂 𝒔𝒚 𝒓𝒆𝒇𝒚 𝒕𝒐𝒂 𝒏𝒚 𝒂𝒉𝒐𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒐 𝒂𝒇𝒂𝒌𝒂 𝒂𝒏𝒈𝒂𝒕𝒂𝒉𝒊𝒏𝒂 ?
Tsy voafetra ny refin’ny tany azo angatahina.
-𝓣𝓪𝓷𝓲𝓶-𝓹𝓪𝓷𝓳𝓪𝓴𝓪𝓷𝓪 𝓪𝔃𝓸 𝓪𝓶𝓲𝓭𝔂 : tanim-panjakana tsy misy titra, tsy misy Kadasitra, na efa manana titra amin’ny Fanjakana.
-𝓣𝓪𝓷𝓲𝓶-𝓹𝓪𝓷𝓳𝓪𝓴𝓪𝓷𝓪 𝓽𝓼𝔂 𝓪𝔃𝓸 𝓪𝓶𝓲𝓭𝔂 : natokana ho an’ny Minisitera, Domaine Public (ampiasaina hoan’ny vahoaka).
𝑹𝒆𝒉𝒆𝒇𝒂 𝒊𝒏𝒐𝒏𝒂 𝒏𝒐 𝒍𝒂𝒔𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒐𝒍𝒐𝒏𝒂 𝒊𝒓𝒂𝒚 𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒏𝒊𝒎-𝒑𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂 ?
Miafara amin’ny fahazoana 𝑇𝑖𝑡𝑟𝑎 ny dingana arahina amin’ny fahazoana tany. 𝑇𝑖𝑡𝑟𝑎 izay milaza fa an’ny Fanjakana Malgache aloha ny tany, ary izy no manome izany ho an’ny mpangataka.
Misy Karazany Maromaro ny Fanomezana Tany ataon’ny Fanjakana :
- Fivarotana (vente)
- Fanokanana tany (affectation) raha ho et ny Minisitera
- Fanolorana (Dotation) raha hoan’ny Kaominina
- Fampanofana : fampanofana tsotra (bail ordinaire), bail emphytéotique.
𝑰𝒏𝒐𝒏𝒂 𝒂𝒗𝒚 𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒅𝒊𝒏𝒈𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒓𝒂𝒉𝒊𝒏𝒂 𝒓𝒂𝒉𝒂 𝒕𝒐𝒂 𝒌𝒂 𝒉𝒂𝒏𝒈𝒂𝒕𝒂𝒌𝒂 𝒕𝒂𝒏𝒊𝒎-𝒑𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂 ?
- Fanaovana saritany (plan) any amin’ny sampandraharahan’ny Fadrefesantany (service topographique) ka tsy maintsy midina any an-toerana izy mamaritra ny tany izay hangatahina.
- Raha azo angatahina ny tany dia afaka miroso amin’ny famenoana ny « formulaire ».
- Aterina ao amin’ny sampandraharahan’ny Fananantany (Service des domaines) ny « formulaire » hitahirizana (enregistrement) ny antontan-taratasy. Miaraka amin’izay ny fahazoana ny laharan’ny tany, ary iny ihany koa ny daty fanombohan’ny fangatahana any amin’ny sampandraharahan’ny Fananantany ialohavan’ny fandoavam-bola antoka (cautionnement).
- Misy ny fidinana ifotony (constatation des lieux) izay ataon’ny Kaomisionina tarihin’ny Sampandraharahan’ny Fananantany sy ny Fandrefesantany. Ka antsoina ny tompony sy ireo mpiray vody rindrina mialohan’izany. Ny Kaomisiaonina no manao fintanana an-tsoratra ny mahakasika ny eo ambonin’ilay tany angatahina : fanorenana nafambolena ary izay nanazary izany. Izy ireo ihany koa no mametraka ny heviny (avis) amin’ny fanomezana na tsia ilay tany.
- Mitohy amin’ny fitirihana faharoa (2e repérage) ny dingana aorian’ny fahazoan’ny sampandraharahan’ny Fandrefesantany ny antontan-taratasy .
- Rehefa vita izany dia alefa any amin’ny «autorités des décisions».
- Manome tolokevitra ny lehiben’ny fari-piadidiana (chef circonscription) : omena na tsia ny tany, ny anton’izany ary mametra ny vidiny .
- Mametraka ny sampandraharaham-paritra : mitombina ve ny fanomezana na tsia, ary ihany koa ny fanampahan-kevitra (décision) ao.
- Rehefa tsy misy fanamarihana avy amin’ny «autorités des décisions» dia miroso amin’ny «immatriculation» ny tany. Satria ny tany voasoratra amin’ny anaran’ny Fanjakana Malgache ihany no azo omena ny mpangataka.
- Raha tsy mitombina kosa ny fangatahana, dia tsy tohizana intsony ny dingana.
- Rehefa ekena ny fangatahana dia mety ho ny tany rehetra (totalité) na mety ho ampahany, arakarakin’ny zava-misy ao amin’ny fangatahana.
- Amin’ny fotoana hivoahan’ny ny fanampahan-kevitra (décision) dia ampahafantarina (notifiant) ny mpangataka.
- Homanina ny antontan-taratasy rehetra hanaovana ny «Immatriculation» sy ny tsato-bato dia alefa any amin’ny sampandraharahan’ny Fandrefesantany. Ny titra kosa dia any amin’ny sampandraharahan’ny Fanananantany. Ary ny tompon’ny tany no manome ny anaran’ny tany izay mety aminy.
- Rehefa vita izany dia midina ifotony ny Sampandraharahan’ny Fandrefesantany manao ny tsato-bato, ary misy fiantsoana ireo voakasika indray.
- Raha tsy misy olana ny fanatanterahana ny tsato-bato dia averina any amin’ny sampandraharahan’ny Fananantany indray ny antontantaratasy sy ny tatitra (PV) nanaovana ny «immatriculation» ary ny saritany mifanaraka amin’izany.
- Ampahafantarina an’ilay mpangataka ny tany amin’ny alalan’ny «avis de paiement» ny vola tokony aloany, any amin’ny «Provision Domaniale» ary mahazo fanamarinana (quittance) izy rehefa voahefa izany. Ao anatin’ny iray (1) taona no tokony handoavana izany, ka raha tsy tanteraka izany ao anatin’io fe-potoana io dia azo atao ny manao fanafohanana ny fangatahany.
- Manao sonia ny taratasim-pivarotana (acte de vente) ny mpangataka ary alefa any amin’ny «autorités d’approbation» : fileovana (préfet) na any amin’ny foibe.
- Miverina any amin’ny foibem-pitantanana ara-ketra (centre fiscal) anaovana ny « enregistrement ».
- Miroso amin’ny fanoratana amin’ny «livre foncier» izay «registre» ampiasain’ny sampandraharahan’ny Fananantany hanoratana ny titra an’ny olona tsirairay izay misoratra ao.
- Omena ny tompony ny « Duplicatat du titre » na dika mitovy amin’ilay « livre foncier » ao amin’ny Sampandraharahan’ny Fananantany.
𝑭𝒆-𝒑𝒐𝒕𝒐𝒂𝒏𝒂 𝒕𝒐𝒚 𝒏𝒚 𝒂𝒉𝒐𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒉𝒂𝒉𝒂𝒗𝒊𝒕𝒂𝒏𝒂 𝒊𝒛𝒂𝒏𝒚 ?
Miankina amin’ny fahavononan’ny mpangataka, ny sampandraharahan’ny Fananantany sy ny Fandrefesantany ary ireo sampana teknika izay miara miasa amin’ny sampandraharahan’ny Fananantany sy ny Fandrefesantany ny fahafainganan’izany.
𝑵𝒚 𝒔𝒂𝒓𝒂𝒏𝒚 𝒎𝒊𝒍𝒂 𝒉𝒐𝒎𝒂𝒏𝒊𝒏𝒂
Eny amin’ny peta-dridrina eny amin’ny circonscription tsirairay avy.
Fanamarihana
Amin’izao, noho ny ODOC na titra faobe izay karakarain’ny Minisitera dia haingana sy mora kokoa ny fangatahana ny tany. Mitambatra amin’ny toerana ny fangatahana ka manamora ny fanatanterahana ny «procédure», et ny vidin’ny tany satria ny Fanjakana dia mitsinjo manokana an’ireo mpangataka tafiditra ao anatin’ny ODOC.