
Publié le : 19 Aug 2026
Catégories : Gestion foncière décentralisée, Services Fonciers
𝐓𝐎𝐑𝐎𝐋𝐀𝐋𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐎𝐌𝐁𝐀 𝐍𝐘
𝐅𝐀𝐍𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐑𝐀𝐓𝐀𝐍𝐘 (𝐂𝐞𝐫𝐭𝐢𝐟𝐢𝐜𝐚𝐭 𝐟𝐨𝐧𝐜𝐢𝐞𝐫)
𝐇𝐎 𝐋𝐀𝐒𝐀 𝐓𝐈𝐓𝐑𝐀 (𝐓𝐢𝐭𝐫𝐞 𝐟𝐨𝐧𝐜𝐢𝐞𝐫))
👉🏻 Ity torolalana ity dia natao mba hanazavana amin’ny fomba mazava sy tsotra ny dingana arahina rehefa te-hanova ny Karatany ho lasa Titra ny tompon’ny tany, mifanaraka amin’ny « Torolalana momba ny fomba fanovana ny Karatany ho lasa Titra» navoakan’ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany.
𝗜. 𝗟𝗔𝗟𝗔𝗡𝗔 𝗩𝗢𝗔𝗞𝗔𝗦𝗜𝗞𝗔
📝 Lalàna laharana 2005-019 tamin’ny 17 Oktobra 2005, mamaritra ireo fitsipika mifehy ny satan’ny tany;
📝 Lalàna laharana 2021-004 tamin’ny 14 Jona 2021, mifehy ny Holafitra ny Mpandrefy Tany Mpahay Raha eto Madagasikara (Ordre des Géomètres Experts);
📝 Lalàna laharana 2022-013 tamin’ny 1 Aogositra 2022, manavao ireo fitsipika mamaritra ny fitondrana araka ny lalàna ny fitompoana ny tanin’olontsotra tsy vita titra araka ny Andininy faha 31 sy 32;
📝 Didim-panjakana laharana 2022-1250 tamin’ny 31 Aogositra 2022, mamaritra ny fomba fampiharana ny Lalàna laharana 2022-013 Andininy faha 78 ka hatramin’ny Andininy faha 82;
📝 Fitsipika ara-teknika momba ny Sampan-draharaha Fandrefesan-tany (Règlement technique des services topographiques).
𝗜𝗜. 𝗡𝗬 𝗧𝗦𝗔𝗥𝗔 𝗛𝗢 𝗙𝗔𝗧𝗔𝗧𝗥𝗔
𝐀. 𝐍𝐲 𝐯𝐨𝐭𝐨𝐚𝐭𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚
👉🏻 Ny fanovana ny Karatany ho lasa Titra dia tsy an-tery: miankina tanteraka amin’ny fahavononan’ny tompon’ny an-tany izany, ka izy ihany no manapa-kevitra raha hanao ny fangatahana fanovana ny Karatany ho lasa Titra na tsia.
👉🏻 Ny dingana arahina amin’ny fanovana dia tsy maintsy « contradictoire », izany hoe manaraka fampahafantarana ampahibemaso (publicité) araka izay voalazan’ny lalàna, mba hahafahan’ny olona rehetra manana zo mahakasika ny tany maneho izany sy miaro izany. Ary atao ny fampahafantarana ampahibemaso nanomboka amin’ny fandraisana ny fangatahana, ka hatramin’ny 15 andro aorian’ny fametrahana ampahibemaso ny filazana fahavitana tsatobato.
👉🏻 Maimaim-poana ny fametrahana fanoherana tsy azo takiana sarany na mikasika: ny fifanoherana momba ny sisin-tany (contestation sur les limites) izany na momba ny zo fananan’ilay olona manao fanoherana ilay tany.
👉🏻 Anjara andraikitry ny Sampandraharaha ny Fananantany sy ny Fandrefesantany amin’ny fanovana ny Karatany ho lasa Titra : Tsy andraikiny ny fanamarinana ny paikady teo aloha momba ny fomba nahazoana ny Karatany na ny zavatra misy eo amin’ilay tany vita Karatany ka hampiato ilay paikady, satria andraikitry ny Ben’ny Tanàna sy ny mpiasan’ny Birao Ifotony ny Fananan-tany .Manomboka amin’ny dingana fanovana Karatany ho lasa Titra ihany no andraisan’izy ireo anjara andraikitra.
👉🏻 Raha hitan’ny Mpandrefy Tany Mpahay Raha fa misy fifanitsahana tanteraka amin’ny tanin’ny satatany hafa toy ny misoratra amin’ny fanjakana, na amin’ny tany manana Titra, Kadasitra, na Karatany hafa, dia négatif ilay asa fanaovana tsatobato ka soratana eo amin’ny fitanana an-tsoratra izany.
👉🏻 Raha misy fanovana ny satan’ny tany iray dia tokony hanao fampanarahanan’andro ny PLOF ny eny amin’ny Birao Ifotony ny Fananan-tany sy ny Sampandraharaha ny Fandrefesan-tany.
𝗜𝗜𝗜. 𝗔𝗡𝗧𝗢𝗡𝗧𝗔𝗡-𝗧𝗔𝗥𝗔𝗧𝗔𝗦𝗬 𝗜𝗟𝗔𝗜𝗡𝗔
1️⃣ Taratasy fangatahana fanovana ny Karatany ho lasa Titra, vita sonian’ny tompon’ny Karatany. Tsy maintsy voatononina ao anatin’izany ny anarana tiana homena ilay tany rehefa hahazo Titra. Atao dika mitovy roa (2) izany.
2️⃣ Ny Karatany
3️⃣Dika mitovy voamarina ny karapanondrom-pirenena.
4️⃣ Taratasy fanamarinana hafa mety ilaina.
5️⃣Mandoa ny sarany mifanaraka amin’izany
6️⃣ Dika mitovy voamarina (copies certifiées conformes) ny Karatany, miisa roa (2).
7️⃣Taratasy manamarina ny nanaovana ny fampahafantarana ampahibemaso sy ny nisian’ny na tsy nisian’ny fanoherana, atao amin’ny dika roa (2).
8️⃣ Taratasy fanamarinana fananana karatany (attestation de propriété certifiée) latsaky ny 3 volana ny fahavitany.
9️⃣Ampahana sarintany (Extrait du PLOF), izay efa misy ny maridrefy « coordonnées Laborde » an’ilay tany, miisa roa (2).
🔟Sari-tany manokana avy amin’ny bornage (Plan individuel de bornage).
1️⃣1️⃣Taratasy fanamarinana tsy nisy fanoherana, na alohan’ny na aorian’ny bornage (certificats d’affichage / certificats de non opposition).
𝗜𝗩. 𝗗𝗜𝗡𝗚𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗥𝗔𝗛𝗜𝗡𝗔
𝑫𝒊𝒏𝒈𝒂𝒏𝒂 1 – 𝑭𝒂𝒎𝒆𝒕𝒓𝒂𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒈𝒂𝒕𝒂𝒉𝒂𝒏𝒂
✍🏻 Ny tompon’ny Karatany (na olona mahafeno fepetra hanao ny fangatahana) no mikarakara ny fametrahana ny antotan-taratasy voalaza etsy ambony, eny amin’ny Birao Ifotony ny Fananan-tany misy ny tany voakasika.
✍🏻Ny sarany rehetra dia zakain’ny mpangataka.
𝑫𝒊𝒏𝒈𝒂𝒏𝒂 2 – 𝑭𝒂𝒎𝒑𝒂𝒉𝒂𝒇𝒂𝒏𝒕𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒔𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒅𝒓𝒂𝒊𝒔𝒂𝒏𝒂 𝒇𝒂𝒏𝒐𝒉𝒆𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒍𝒐𝒉𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒕𝒔𝒂𝒕𝒐𝒃𝒂𝒕𝒐
✍🏻 Ny ao amin’ny Birao Ifotony ny Fananantany no miandraikitra ny fametrahana ny fampahafantarana ampahibemaso amin’ny alalan’ny petadrindrina (placards) ao amin’ny Kominina sy Birao Ifotony ny Fananan-tany, mandritra ny 15 andro farafahakeliny.
✍🏻 Ny fampahafantarana diamirakitra ny mombamomba ny tany hanaovana fanovana : misy ny laharan’ny Karatany, , ny anaran’ny mpangataka, ny laharan’ny Karatany na Titra mifanolo-bodirindrina raha misy, ary ny fahafahan’ny olon-drehetra manao fanoherana mandritra ny 15 andro.
✍🏻 Ny fanoherana dia azo atao an-tsoratra na am-bava (ho an’izay tsy mahay mamaky teny sy manoratra), maimaim-poana, eny amin’ny Birao Ifotony ny Fananantany.
✍🏻 Rehefa tapitra ny 15 andro dia manome taratasy fanamarinana ny fahavitan’ny fampahafantarana (certificat d’affichage) ny Ben’ny Tanàna sy ny Filohan’ny Fokontany, milaza raha nisy na tsy nisy fanoherana.
𝑫𝒊𝒏𝒈𝒂𝒏𝒂 3 – 𝑭𝒂𝒎𝒆𝒕𝒓𝒂𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒂𝒏𝒕𝒐𝒏𝒕𝒂𝒏-𝒕𝒂𝒓𝒂𝒕𝒂𝒔𝒚 𝒓𝒆𝒉𝒆𝒕𝒓𝒂 𝒆𝒏𝒚 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝑺𝒂𝒎𝒑𝒂𝒏𝒅𝒓𝒂𝒉𝒂𝒓𝒂𝒉𝒂 𝑭𝒂𝒏𝒅𝒓𝒆𝒇𝒆𝒔𝒂𝒏-𝒕𝒂𝒏𝒚 (𝑪𝑰𝑹𝑻𝑶𝑷𝑶)
✍🏻 Rehefa lany ny fe-potoana 15 andro ka tsy nisy fanoherana, dia alefan’ny Birao Ifotony ny Fananan-tany any amin’ny amin’ny Sampandraharaha Fandrefesan-tany (CIRTOPO) miaraka amin’ny lisitry ireo ny antotan-taratasy (bordereau d’envoi) voasonia sy voamarina.
✍🏻 Atao ny fitsirihana (repérage ) ilay Karatany
✍🏻 Aloa ny sarany mifanaraka amin’izany
✍🏻 Mahazo laharana RTx ilay fangatahana manomboka eo
✍🏻 Misafidy Mpandrefy Tany Mpahay Raha hanao ny Tsatobato
𝑫𝒊𝒏𝒈𝒂𝒏𝒂 4 – 𝑵𝒚 𝒕𝒔𝒂𝒕𝒐𝒃𝒂𝒕𝒐
✍🏻 Rehefa voarain’ny Mpandrefy Tany Mpahay Raha ny antotan-taratasy dia atao ny fifanarahana amin’ny tompon’ny tany ny famerana ny daty hanaovana ny bornage.
✍🏻 Alefa ny nyfampiantsoana (convocation) ireo voakasika , 48 ora mialoha ny idinanana eny ifotony.
✍🏻 Atao ny tsatobato.
𝑫𝒊𝒏𝒈𝒂𝒏𝒂 5 – 𝑭𝒂𝒎𝒑𝒂𝒉𝒂𝒇𝒂𝒏𝒕𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒇𝒂𝒉𝒂𝒓𝒐𝒂 𝒂𝒐𝒓𝒊𝒂𝒏’𝒏𝒚
𝒕𝒔𝒂𝒕𝒐𝒃𝒂𝒕𝒐
✍🏻 Rehefa vita ny tsatobato, ny Birao Ifotony ny Fananantany indray manao ny fampahafantarana (affichage) fahavitana tsatobato mandritra ny 15 andro farafahakeliny, eo amin’ny takelaka ao amin’ny Kominina ary ny Fokontany.
✍🏻 Misy taratasy fanamarinana fahavitan’ny fampahafantarana sy ny fisian’ny na tsy fisian’ny fanoherana soniavin’ny Ben’ny Tanàna sy ny Filohan’ny Fokontany.
𝑫𝒊𝒏𝒈𝒂𝒏𝒂 6 – 𝑭𝒊𝒌𝒂𝒓𝒂𝒌𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒔𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒂𝒎𝒂𝒓𝒊𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒓𝒚 𝑭𝒂𝒎𝒊𝒏𝒅𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝑺𝒂𝒎𝒑𝒂𝒏𝒅𝒓𝒂𝒉𝒂𝒓𝒂𝒉𝒂 𝑭𝒂𝒏𝒅𝒓𝒆𝒇𝒆𝒔𝒂𝒏𝒕𝒂𝒏𝒚 𝒔𝒚 𝑭𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂𝒏𝒕𝒂𝒏𝒚
✍🏻 Fanamarinana arateknika mahakasika sary tany mifanraka amin’ny Fitsipika ara-teknika momba ny Sampandraharaha Fandrefesantany .
✍🏻 Fanaovana ny Titra vaovao.
✍🏻 Fanaovana fampanarahan’andro amin’ny alalan’ny Télégramme Lettre Officiel (TLO) any amin’ny Fandrefesan-tany, mba hanoratana ny laharan’ny Titra na ny anaran’ny tany eo amin’ny sari-tany, ho «famaritana farany» (repérage définitif), ary hanavaozana ny sari-tany sy ny PLOF any amin’ny Sampandraharaha Fandrefesantany, toy izany ko ny any amin’ny Birao Ifotony ny Fananantany .
✍🏻 Ny CIRDOMA ihany koa dia mampahafantatra ny Birao Ifotony ny Fananantany amin’ny alalan’ny TLO nohon’ny fahavitan’ny fanovana, miantso ny Birao Ifotony ny Fananantany mba hanafoanana ny Karatany taloha sy hanavaozana ny rejisitra ary ny PLOF eo aminy.
🫴🏻 Famoahana ny boky tany