
Publié le : 05 Aug 2026
Catégories : Juridique, Services Fonciers
𝐅𝐀𝐌𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐎𝐇𝐎 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐅𝐀𝐓𝐄𝐒𝐀𝐍𝐀
Rehefa maty ny tompona tany dia miditra amin’ny antsoina hoe fandovana na (mutation par décès) ireo taranany mpandova.
𝙄𝒓𝙚𝒐 𝒊𝙡𝒂𝙞𝒏𝙖 𝙧𝒆𝙝𝒆𝙛𝒂 𝒉𝙖𝒏𝙖𝒐 𝒇𝙖𝒏𝙙𝒐𝙫𝒂𝙣𝒂 :
👉🏻Taratasy fanamarinana ny fahafatesana (acte de décès) izay alaina any amin’ny Kaominina.
👉🏻Taratasy maha-mpandova (acte de notoriété) : manana endrika araky ny lalàna, atao any amin’ny notaire na délégué d’arrondissement.
👉🏻 Rehefa azo ireo taratasy 𝒓𝒐𝒂 ireo dia manao ny « 𝑑𝑒́𝑐𝑙𝑎𝑟𝑎𝑡𝑖𝑜𝑛 𝑑𝑒 𝑠𝑢𝑐𝑐𝑒𝑠𝑠𝑖𝑜𝑛 » any amin’ny ivon-ketra (centre fiscal). Ireo no manao ny kajy miohatra amin’ny vidin’ny tany ary misy vola haloa any, ka mahazo ny « 𝑐𝑒𝑟𝑡𝑖𝑓𝑖𝑐𝑎𝑡 𝑑𝑒 𝑝𝑎𝑦𝑒𝑚𝑒𝑛𝑡 ». Entina any amin’ny Sampandraharahan’ny Fananantany io antontan-taratasy io avy eo.
👉🏻 Manao ny taratasy fangatahana (réquisition) any amin’ny Sampandraharahan’ny Fananantany.
👉🏻 Mameno ny taratasy fanekena (lettre d’engagement) izay manamarina fa manaraka ny lalàna ny dingana rehetra natao ary tsy misy hosoka.
☝🏻 Efa misy modely omen’ny Sampandraharaha, fenoina, soniavina ary hamarinina izany (légalisation des signatures).
👉🏻 Dika mitovy ny kara-panondrom-pirenena.
Mety misy taratasy hafa angatahin’ny « 𝑐𝑜𝑛𝑠𝑒𝑟𝑣𝑎𝑡𝑒𝑢𝑟», arakarakin’ny zava-misy.
👉🏻 Entina hatrany ny bokintany titre (duplicata du titre) izay hanaovana ny famindrana.
𝙍𝒆𝙝𝒆𝙛𝒂 𝒗𝙤𝒏𝙤𝒏𝙖 𝙞𝒓𝙚𝒐 𝒂𝙣𝒕𝙤𝒏𝙩𝒂-𝒕𝙖𝒓𝙖𝒕𝙖𝒔𝙮 𝙞𝒓𝙚𝒐 𝒅𝙞𝒂 𝒊𝙣𝒐𝙣𝒂 𝒏𝙮 𝙙𝒊𝙣𝒈𝙖𝒏𝙖 𝙢𝒂𝙣𝒂𝙧𝒂𝙠𝒂 ?
👉🏻 Miroso amin’ny famindrana ny Sampandraharahan’ny Fananantany.
☝🏻 Marihina fa ny famindrana dia tsy voatery ho olona iray fa mety ho maromaro, ary azo atao miaraka izany. Satria indraindray betsaka ny tompon’ny tany izay efa maty, izay vao tapa-kevitra hiroso amin’ny famindrana ny mpandova.
🅵🅰🅽🅰🅼🅰🆁🅸🅷🅰🅽🅰
*️⃣ Ny famindrana noho ny lova dia tsy maintsy atao anatin’ny 𝒆𝒏𝒊𝒎-𝒃𝒐𝒍𝒂𝒏𝒂 aorian’ny fahavitan’ny taratasy fanamarinana ny fahafatesana.
*️⃣ Raha mihoatra io fe-potoana io dia iharan’ny sazy noho ny fahatarana ny voakasik’izany (pénalité de retard d’inscription).
*️⃣10% 𝘪𝑠𝘢𝑚-𝑏𝘰𝑙𝘢𝑛𝘢, 𝑘𝘢𝑗𝘪𝑎𝘯𝑎 𝑎𝘮𝑖𝘯’𝘯𝑦 𝑣𝘰𝑙𝘢 𝘵𝑜𝘬𝑜𝘯𝑦 ℎ𝘢𝑙𝘰𝑎 𝑛𝘺 𝘴𝑎𝘻𝑦.
☝🏻 Na izany aza, ny fitambaran’ny sazy dia tsy mihoatra ny 100%, izany hoe rehefa mahatratra 10 volana ny fahatarana dia mijanona eo amin’ny 100% ny sazy.
👉🏻 𝘕𝑜𝘩𝑜 𝑖𝘻𝑎𝘯𝑦 𝑟𝘦ℎ𝘦𝑓𝘢 𝘮𝑖𝘩𝑜𝘢𝑡𝘳𝑎 𝑛𝘺 10 𝑣𝘰𝑙𝘢𝑛𝘢 𝘪𝑧𝘢𝑛𝘺 𝘯𝑦 𝑓𝘢𝑛𝘢𝑡𝘢𝑛𝘵𝑒𝘳𝑎𝘩𝑎𝘯𝑎 𝑛𝘺 𝘧𝑎𝘮𝑖𝘯𝑑𝘳𝑎𝘯𝑎 𝘥𝑖𝘢 𝘢𝑚𝘱𝑖𝘵𝑜𝘮𝑏𝘰𝑖𝘯𝑎 𝑟𝘰𝑎 ℎ𝘦𝑛𝘺 𝘯𝑦 𝑣𝘰𝑙𝘢 𝘧𝑜𝘵𝑜𝘵𝑟𝘢 𝘵𝑜𝘬𝑜𝘯𝑦 ℎ𝘢𝑙𝘰𝑎.