Observatoire et Intelligence Territoriale et Fonciere

Publication



FAMINDRANA-PANANA NOHO NY FIVAROTANA

Publié le : 03 Aug 2026

Catégories : , ,


🤝𝐅𝐀𝐌𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀-𝐏𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐎𝐇𝐎 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐕𝐀𝐑𝐎𝐓𝐀𝐍𝐀

Ny famarotana tany dia voafehy ny didy hitsivolana ord 60-146 sy ny didy fampiharana miaraka aminy.
Raha tanim-panjakana dia miafara amin’ny fahazoana Boky titra (duplicata du titre) ary manomboka eo dia misoratra amin’ny olona iray ny tany.

▶️ 𝑹𝒂𝒉𝒂 𝒉𝒊𝒗𝒂𝒓𝒐𝒕𝒓𝒂 𝒕𝒂𝒏𝒚 𝒅𝒊𝒂 𝒊𝒏𝒐𝒏𝒂 𝒏𝒐 𝒕𝒐𝒌𝒐𝒏𝒚 𝒉𝒐 𝒇𝒂𝒏𝒕𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒎𝒊𝒂𝒍𝒐𝒉𝒂 ?

Misy karazany 🅡︎🅞︎🅐︎ ny varotra :
1️⃣Varotra ny tany manontolo.
2️⃣Varotra amin’ny ampahany.

▶️ 𝑰𝒏𝒐𝒏𝒂 𝒂𝒓𝒚 𝒏𝒚 𝒅𝒊𝒏𝒈𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒓𝒂𝒉𝒊𝒏𝒂 𝒓𝒂𝒉𝒂 𝒉𝒊𝒗𝒂𝒓𝒐𝒕𝒓𝒂 𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒏𝒚 𝒎𝒂𝒏𝒐𝒏𝒕𝒐𝒍𝒐 𝒏𝒂 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒂𝒎𝒑𝒂𝒉𝒂𝒏𝒚 ?

Miainga amin’ny fanaovana fifanarahana fampivarotana amin’ny alalan’ny olona roa : mpivarotra sy mpividy.

▶️ 𝑰𝒓𝒆𝒐 𝒌𝒂𝒓𝒂𝒛𝒂𝒏𝒂 𝒇𝒊𝒇𝒂𝒏𝒂𝒓𝒂𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒇𝒂𝒎𝒑𝒊𝒗𝒂𝒓𝒐𝒕𝒂𝒏𝒂 ?

👉🏻 Misy karazana 🅣︎🅔︎🅛︎🅞︎ ny fifanarahana ananan’ny olom-pirenena zo ny manao azy, sy hananany safidy amin’izay tokony halehany rehefa hanao fifanarahana fifampivarotana :

– 𝕸𝖎𝖘𝖞 𝖓𝖞 𝖋𝖎𝖋𝖆𝖒𝖕𝖎𝖛𝖆𝖗𝖔𝖙𝖆𝖓𝖆 𝖛𝖔𝖆𝖘𝖔𝖓𝖎𝖆𝖓’𝖔𝖑𝖔𝖓-𝖉𝖗𝖔𝖆 (𝖆𝖈𝖙𝖊 𝖉𝖊 𝖛𝖊𝖓𝖙𝖊 𝖘𝖔𝖚𝖘 𝖘𝖊𝖎𝖓𝖌 𝖕𝖗𝖎𝖛𝖊́) :
👉🏻 Hoentina any amin’ny Kaominina ny fifanarahana fampivarotana mba hanaovana fanamarinan-tsonia. Mety ilaina ny fisian’ny vavolombelona amin’izay fotoana izay.
☝🏻Marihina fa tsy mitovy amin’ny fanamarinan-tsonia tsotra io fa misy endrika manokana (à la forme foncière) izay napetraky ny lalàna mifehy ny «régime d’immatriculation» .

👉🏻Rehefa vita ny fanaovana ny fifanarahana dia manao fanamarinana ara-panjakana (légalisation) ao amin’ny Kaominina ihany, ary aorian’izay dia manao ny firaketana (enregistrement) any amin’ny ivon-ketra (centre fiscal).

👉🏻Ampiarahina amin’izay fifanarahana fifampivarotana izay ny saritany.
☝🏻 Raha 𝓽𝓪𝓷𝔂 𝓶𝓪𝓷𝓸𝓷𝓽𝓸𝓵𝓸 no amidy dia ny saritanin’ilay tany manontolo no apetraka ao.
☝🏻Raha 𝓪𝓶𝓹𝓪𝓱𝓪𝓷𝔂 kosa no amidy, dia tsy maintsy faritan’ny Sampandraharahan’ny Fandresantany alohan’ny hanaovana fifanarahana fifampivarotana eo amin’ny saritany ny faritra hamidy, sy ny refin’izany. Aorian’izay asa izay vao miroso amin’ny fifanarahana.

– 𝕸𝖎𝖘𝖞 𝖓𝖞 𝖋𝖎𝖋𝖆𝖒𝖕𝖎𝖛𝖆𝖗𝖔𝖙𝖆𝖓𝖆 𝖛𝖔𝖆𝖗𝖆𝖐𝖎𝖙𝖗𝖆 (𝖆𝖈𝖙𝖊 𝖉𝖊 𝖛𝖊𝖓𝖙𝖊 𝖆𝖚𝖙𝖍𝖊𝖓𝖙𝖎𝖋𝖎𝖊́):
👉🏻 Atao eo anatrehan’ny solotenam-panjaka«délégué d’arrondissement».
☝🏻Ny mampiavaka azy dia ny tompon’andraiki-panjakana (officier public) no manoratra ny taratasy fifanarahana (rédaction de l’acte) ary voasoratra ao amin’ny bokim-piraketana (régistre) ao amin’ny Kaominina izany.

👉🏻 Rehefa vita ny firaketana izany (enregistrement) any amin’ny Ivon-ketra, dia dika mitovy ofisialy (copie na expédition) amin’ilay taratasy voarakitra ao amin’ny bokim-piraketana no avoakan’ny solotenam-panjakana ary omena ny andaniny sy ny ankilany.

– 𝕸𝖎𝖘𝖞 𝖓𝖞 « 𝖆𝖈𝖙𝖊 𝖓𝖔𝖙𝖆𝖗𝖎𝖊́ » :
👉🏻Raha mihaotra ny 15 tapitrisa na 15 000 000 d’Ar ny vidiny nifanarahana ao amin’ny taratasy fifampivarotana dia tsy maintsy hoentina any amin’ny « notaire » izany.
☝🏻Marihina fa ny zavatra rehetra hita amin’ny fifampivarotana dia hita ao amin’ny saritany avokoa.

– 𝑹𝒂𝒉𝒆𝒇𝒂 𝒗𝒊𝒕𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒇𝒂𝒎𝒑𝒊𝒗𝒂𝒓𝒐𝒕𝒂𝒏𝒂 𝒅𝒊𝒂 𝒎𝒊𝒓𝒐𝒔𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒎𝒊𝒏𝒅𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒊𝒏𝒅𝒓𝒂𝒚 :

👉🏻 Tsy maintsy mangataka fahazoan-dalana any amin’ny Sampandraharahan’ny Fanajariana ny tany.
☝🏻Hoentina amin’izany ny fifanarahana sy ny saritany mba hahazoana ny taratasy manamarina ny fepetra momba ny fanajariana ny tany (prescription d’urbanisme) na ny fahazoan-dalana hamaky ny tany (autorisation de morcellement) na fahazoan-dalana hanao raharaham-pivarotam-pananana (autorisation de transaction immobilière), arakaraka ny tranga.

👉🏻 Entina any amin’ny Sampandraharahan’ny Fananantany avy eo ny fahazoan-dalana hamaky ny tany na fahazoan-dalana hanao raharaham-pivarotam-pananana miaraka amin’ny fifanarahana .

👉🏻 Mametraka ny fangatahana (réquisition) miaraka amin’ny taratasy fanekena izay manamarina fa manaraka ny lalàna ny dingana rehetra natao ary tsy misy hosoka ny taratasy fanekena (lettre d’engagement).
☝🏻Fenoina sy soniavina any amin’ny Sampandraharahan’ny Fananantany ihany izany.

👉🏻 Entina eny amin’ny Sampandraharahan’ny Fananantany ny Boky titra.
☝🏻 Araka ny voalazan’ny lalàna mantsy, dia tsy maintsy havaozina mba hifanaraka amin’ny ao amin’ny Bokintany (livre foncier) ny ao anatin’ny boky titra na kadasitra (Duplicata na matrice cadastrale) isaky ny misy famindrana ny zo amin’ny tany amin’ny anaran’ny tompony vaovao.
☝🏻Antsoina hoe : fampifanarahana ny firaketana (mise à jour de concordance), ity dingana ity ary tsy maintsy tanterahina mandritra ny fikarakarana ny famindrana.

👉🏻 Rehefa vita izany dia apetraka amin’ny Sampandraharahan’ny Fananantany mba hirosoana amin’ny dingana famindrana :
☝🏻Raha ny 𝓽𝓪𝓷𝔂 𝓶𝓪𝓷𝓸𝓷𝓽𝓸𝓵𝓸 dia afindra amin’ny tompony vaovao noho ilay fifanarahana.
☝🏻Raha 𝓪𝓶𝓹𝓪𝓱𝓪𝓷𝔂 dia miverina any amin’ny Sampandraharahan’ny Fandrefesantany mba hanaovana saritany ho an’ny vina tsatobato famakiana (bornage de morcellement).
– Raha tsy misy ny olana eo amin’ny refy dia midina eny an-toerana izy ireo manao tsatobato.
– Soratan’ny ao amin’ny Sampandraharahan’ny Fananantany ny haben’ny tany amin’ilay Bokintany sy ny boky titra. Ary omena ny tompony ny boky titra (Dupilacata du titre).